Bokin'i Osea
Osea toko 5
Ny hiharan'ny famaizana indrindra dia ireo mpisorona izay namitaka ny vahoaka sy ireo mpanapaka ny vahoaka, izay tsy afa-miaro tena, noho ny fanekena nataony, amin'ny loza hamelezan'Andriamanitra azy.
1 Mandrenesa izao, ry mpisorona;
mihainoa tsara, ry taranak'Israely;
manongilàna sofina, ry taranaky ny mpanjaka;
fa hianareo no hamoahana ny teny fitsarana,
satria hianareo no efa fandrika tao Masfà
sy fandrika harato voavelatra ao ambonin'i Tabora.
2 Nataon'izy ireo mihoa-pampana ny fahadisoany, tamin'ny sorona nataony;
fa ho famaizana anareo rehetra kosa aho!
3 Mahalala an'i Efraima aho
ary tsy takon'amiko Israely;
ary hianao, ry Efraima, nijangajanga,
ary Israely nandoto tena.
4 Tsy avelan'ny asa nataony
hiverina amin'Andriamanitra izy ireo,
fa saim-pijangajangana no eo afovoany,
ka tsy mahalala an'Iaveh izy.
5 Ny avonavon'Israely no vavolombelona manameloka azy;
ho lavon'ny helony, Israely sy Efraima;
hiara-davo amin'ireo koa Jodà.
6 Hitondra ny ombiny aman'ondriny izy ireo,
handeha hitady an'Iaveh,
nefa tsy hahita azy, fa nisaraka tamin'ireo izy.
7 Namitaka an'Iaveh izy ireo,
fa niteraka zaza hafa firenena;
ary ankehitriny ho levon'ny volana ambony izy
mbamin'ny ananany.
8 Tsofy ao Gabaà ny anjomara;
ary ao Ramà ny trompetra;
miantsoa vonjy taitra ao Betavena!
Mitandrema hianao, ry Benjamina!
9 Horavana Efraima amin'ny andro famaizana;
ny amin'ny hanjo ny fokon'Israely
zava-tsy maintsy to no ambarako.
10 Ireo mpanapaka an'i Jodà
efa toy ny mpamindra faritany;
hampidiniko amin'izy ireo
ny fahatezerako toy ny rano.
11 Ampahorina sy torotoroin'ny fitsarana Efraima
satria ninia nanaraka ny sampy tsinontsinona izy.
12 Koa tahaka ny kalalao aho amin'i Efraima,
ary tahaka ny fahalovana amin'ny taranak'i Jodà.
13 Rahefa nahita ny aretiny Efraima,
ary Jodà ny ratrany,
dia nankany amin'i Asora Efraima
ary naniraka ho any amin'ny mpanjaka anankiray izy, hamaly ny ratsy natao taminy;
tsy ho afa-manasitrana anareo anefa izany mpanjaka izany
ka tsy ho afaka aminareo ny ferinareo.
14 Fa ho tahaka ny liona aho, amin'i Efraima,
ary ho tahaka ny liona tanora amin'ny taranak'i Jodà.
Izaho dia izaho no hamiravira, dia lasa mandeha;
hitondra ny rembiko, ka tsy hisy haharombaka izany amiko.
15 Handeha aho hody any amin'ny fonenako,
mandra-pihaikiny ny maha-meloka azy,
ka hitadiavany ny tavako.
Fa hitady ahy izy ireo, rahefa azom-pahoriana.