Bokin'i Osea

Toko faha-5

1 Mandrenesa izao, ry mpisorona; mihainoa tsara, ry taranak'Israely; manongilàna sofina, ry taranaky ny mpanjaka; fa hianareo no hamoahana ny teny fitsarana, satria hianareo no efa fandrika tao Masfà sy fandrika harato voavelatra ao ambonin'i Tabora.

2 Nataon'izy ireo mihoa-pampana ny fahadisoany, tamin'ny sorona nataony; fa ho famaizana anareo rehetra kosa aho!

3 Mahalala an'i Efraima aho ary tsy takon'amiko Israely; ary hianao, ry Efraima, nijangajanga, ary Israely nandoto tena.

4 Tsy avelan'ny asa nataony hiverina amin'Andriamanitra izy ireo, fa saim-pijangajangana no eo afovoany, ka tsy mahalala an'ny Tompo izy.

5 Ny avonavon'Israely no vavolombelona manameloka azy; ho lavon'ny helony, Israely sy Efraima; hiara-davo amin'ireo koa Jodà.

6 Hitondra ny ombiny aman'ondriny izy ireo, handeha hitady an'ny Tompo, nefa tsy hahita azy, fa nisaraka tamin'ireo izy.

7 Namitaka an'ny Tompo izy ireo, fa niteraka zaza hafa firenena; ary ankehitriny ho levon'ny volana ambony izy mbamin'ny ananany.

8 Tsofy ao Gabaà ny anjomara; ary ao Ramà ny trompetra; miantsoa vonjy taitra ao Betavena! Mitandrema hianao, ry Benjamina!

9 Horavana Efraima amin'ny andro famaizana; ny amin'ny hanjo ny fokon'Israely zava-tsy maintsy to no ambarako.

10 Ireo mpanapaka an'i Jodà efa toy ny mpamindra faritany; hampidiniko amin'izy ireo ny fahatezerako toy ny rano.

11 Ampahorina sy torotoroin'ny fitsarana Efraima satria ninia nanaraka ny sampy tsinontsinona izy.

12 Koa tahaka ny kalalao aho amin'i Efraima, ary tahaka ny fahalovana amin'ny taranak'i Jodà.

13 Rahefa nahita ny aretiny Efraima, ary Jodà ny ratrany, dia nankany amin'i Asora Efraima ary naniraka ho any amin'ny mpanjaka anankiray izy, hamaly ny ratsy natao taminy; tsy ho afa-manasitrana anareo anefa izany mpanjaka izany ka tsy ho afaka aminareo ny ferinareo.

14 Fa ho tahaka ny liona aho, amin'i Efraima, ary ho tahaka ny liona tanora amin'ny taranak'i Jodà. Izaho dia izaho no hamiravira, dia lasa mandeha; hitondra ny rembiko, ka tsy hisy haharombaka izany amiko.

15 Handeha aho hody any amin'ny fonenako, mandra-pihaikiny ny maha-meloka azy, ka hitadiavany ny tavako. Fa hitady ahy izy ireo, rahefa azom-pahoriana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0556