Bokin'i Osea

Toko faha-6

1 Andeha isika hiverina amin'ny Tompo;

2 fa izy no namiravira, izy no hahasitrana antsika; mikapoka izy, nefa hamehy ny ferintsika koa.

3 Rahefa afaka indroa andro dia hataony velona indray isika; amin'ny andro fahatelo dia hatsangany isika, ka ho velona eo anatrehany. Mahalalà isika, mikeleza aina hahalala an'ny Tompo isika. Mahatoky, toy ny an'ny maraina, ny fiposahany; ary ho avy amintsika toy ny tandrifin-drahona toy ny fara-orana manamando ny tany.

4 Inona no hataoko aminao, ry Efraima? Inona no hataoko aminao, ry Jodà? Fa ny fitiavam-bavakareo dia tahaka ny rahona maraina, tahaka ny ando amin'ny maraina ka levona vetivety.

5 Noho izany nataoko potika, tamin'ny tenin'ny mpaminany, novonoiko tamin'ny tenin'ny vavako izy ireo; toy ny mazava miposaka no ho fitsarana anao.

6 Fa ny fitiavam-bavaka no sitrako fa tsy ny sorona; ary ny fahalalana an'Andriamanitra mihoatra noho ny sorona dorana.

7 Nivadika ny fanekena, tahaka an'i Adama, anefa izy ireo; fa nivadika tamiko teo.

8 Galaada dia tanànan'ny mpanao ratsy, sady isehoan'ny mariky ny ra nalatsaka.

9 Mova tsy ny andian-jiolahy manao otrika, ny andiam-pisorona mamono olona, eo amin'ny làlana mankany Sikema; fa mahavita heloka be vava izy ireo.

10 Zava-mahatsiravina no hitako teo amin'ny taranak'Israely; fa ao no ijangajangan'i Efraima, sy andotoan'Israely tena.

11 Hianao koa, ry Jodà, misy fijinjana voatendry ho anao, raha avy izay hamoriako ny vahoakako avy amin'ny fahababoana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0438