Bokin'i Osea
Toko faha-6
3 Rahefa afaka indroa andro dia hataony velona indray isika; amin'ny andro fahatelo dia hatsangany isika, ka ho velona eo anatrehany. Mahalalà isika, mikeleza aina hahalala an'ny Tompo isika. Mahatoky, toy ny an'ny maraina, ny fiposahany; ary ho avy amintsika toy ny tandrifin-drahona toy ny fara-orana manamando ny tany.4 Inona no hataoko aminao, ry Efraima? Inona no hataoko aminao, ry Jodà? Fa ny fitiavam-bavakareo dia tahaka ny rahona maraina, tahaka ny ando amin'ny maraina ka levona vetivety.
5 Noho izany nataoko potika, tamin'ny tenin'ny mpaminany, novonoiko tamin'ny tenin'ny vavako izy ireo; toy ny mazava miposaka no ho fitsarana anao.
6 Fa ny fitiavam-bavaka no sitrako fa tsy ny sorona; ary ny fahalalana an'Andriamanitra mihoatra noho ny sorona dorana.