Bokin'i Osea

Toko faha-8

1 Ataovy am-bava ny anjomara, Fa misy, toy ny voromahery, hiantefa amin'ny tranon'ny Tompo!... Satria izy ireo nivadika ny fanekeko, sy nandika ny lalàko.

2 Mitaraina amiko izy hoe: Andriamanitro ô, efa nahalala anao izahay Israely.

3 Efa boboky ny soa anefa Israely; ka aoka henjehin'ny fahavalo izy!

4 Fa izy ireo nanangam-panjaka, nefa tsy avy amiko; nanendry mpanapaka nefa tsy nahalala an'ireo aho; nanao sampy tamin'ny volafotsiny amam-bolamenany, mba hanalana aminy ny volafotsy amam-bolamena.

5 Naharikoriko ahy ity zanak'ombinao, ry Samaria; nirehitra tamin'izy ireo ny fahatezerako. Mandra-pahoviana no tsy hahazoana mandio azy ireo?

6 Fa avy amin'Israely koa izy; mpanao taozavatra no nanamboatra azy, ka tsy Andriamanitra izy io; fa hotorotoroina ny zanak'ombin'i Samaria!

7 Namafy rivotra izy ireo, ka hijinja tafio-drivotra. Tsy hisy salohim-bary ho azy, fa hisy vary tsy vanon-ko lafarina; ary raha vanon-ko lafarina aza, ny hafa firenena no hihinana azy.

8 Voatelina Israely: izy ireo ankehitriny, eny amin'ny firenena nanjary toy ny zavatra tsinontsinona;

9 satria ny tenan'izy ihany no niakatra ho any Asora. Ny ampondra dia monina an-takona; Efraima kosa nanangy lahy ho azy.

10 Na manao fanatitra amin'ny firenena aza izy, dia hovoriko hamely azy ireny; ka hangozohozo izy, amin'ny fotoana fohifohy, tsindrian'ny entan'ny mpanjakan'ireo mpanapaka.

11 Nampitombo ny otely Efraima tamin'ny nanotany, ary ireo otely ireo nahalavo azy tamin'ny ota.

12 Na hanoratra lohateny arivo ho azy amin'ny lalàko aza aho, dia ho zavatra tsy mikasika azy no fijeriny an'izany.

13 Ny sorona aterin'izy ireo ho ahy, dia ny henan'ny zavatra vonoiny sy haniny; tsy ankasitrahan'ny Tompo izany. Hahatsiaro ny helok'izy ireo izy ankehitriny, ka hanasazy ny fahotany: hiverina any Ejipta izy ireo.

14 Nanadino ny mpanao azy Israely, ka nanorina lapa; nanamaro ny tanàna mimanda Jodà. Fa handefa afo ao an-tanànany aho, ka handevona ireo rovany izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1123