Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Bokin'i Osea

Osea toko 8, 4-7,11-13,

       <4Fa izy ireo nanangam-panjaka, nefa tsy avy amiko;
nanendry mpanapaka nefa tsy nahalala an'ireo aho;
nanao sampy tamin'ny volafotsiny amam-bolamenany,
mba hanalana aminy ny volafotsy amam-bolamena.
       5Naharikoriko ahy ity zanak'ombinao, ry Samaria;
nirehitra tamin'izy ireo ny fahatezerako.
Mandra-pahoviana no tsy hahazoana mandio azy ireo?
       6Fa avy amin'Israely koa izy;
mpanao taozavatra no nanamboatra azy,
ka tsy Andriamanitra izy io;
fa hotorotoroina ny zanak'ombin'i Samaria!
       7Namafy rivotra izy ireo,
ka hijinja tafio-drivotra.
Tsy hisy salohim-bary ho azy,
fa hisy vary tsy vanon-ko lafarina;
ary raha vanon-ko lafarina aza, ny hafa firenena no hihinana azy.
       11Nampitombo ny otely Efraima tamin'ny nanotany,
ary ireo otely ireo nahalavo azy tamin'ny ota.
       12Na hanoratra lohateny arivo ho azy amin'ny lal├áko aza aho,
dia ho zavatra tsy mikasika azy no fijeriny an'izany.
       13Ny sorona aterin'izy ireo ho ahy,
dia ny henan'ny zavatra vonoiny sy haniny;
tsy ankasitrahan'ny Tompo izany.
Hahatsiaro ny helok'izy ireo izy ankehitriny,
ka hanasazy ny fahotany:
hiverina any Ejipta izy ireo. >