Bokin'i Osea
Osea toko 9
Any amin'ny fahababoana tsy hisy fety intsony; efa antomotra ny famaizana - Fanozonana ny taranak'Israely.
1 Aza miarana amin'ny fifaliana, ry Israely,
na amin'ny firavoravoana toy ny firenena.
Fa hianao, efa nitolo-tena amin'ny ratsy lavitra ny Andriamanitrao,
efa nankamamy ny tangin'ny mpijangajanga,
teny am-pamoloana rehetra teny.
2 Ny famoloana amam-pandomam-boaloboka, tsy hisy hamelona azy ireo,
ary ny divay vaovao handà azy.
3 Tsy honina eo amin'ny tanin'Iaveh izy ireo;
fa hiverina ho any Ejipta Efraima,
ary hihinana ny zava-padina any Asiria izy ireo.
4 Tsy hanolotra divay ho fanatitra araraka ho an'Iaveh izy:
ary tsy hankasitrahany ny sorona ataony;
fa ho toy ny fahan-kanina fisaonana izany aminy,
ka haloto izay mihinana amin'izany;
satria ny hanin'izy ireo ho an'ny tenany ihany,
fa tsy hiditra ao an-tranon'Iaveh.
5 Inona no hataonareo amin'ny fety lehibe,
amin'ny andro fetin'Iaveh?
6 Fa indro lasa izy ireo teo anatrehan'ny fandringanana:
i Ejipta handray azy, ary Memfisy handevina azy;
ny fanaka volafotsiny sarobidy, ho rembin'ny beroberokamboa
ny lainy ho tongan'ny tsilo.
7 Tonga ny andro famaizana!
Tonga ny andro fanodiavana;
vetivety ho fantatr'Israely izany.
Adala ny mpaminany,
ny olona tsindriam-panahy mirediredy foana,
noho ny haben'ny helokao
sy ny fanoheranao mafy.
8 Ny tilin'i Efraima dia ao amin'Andriamanitro;
fandriky ny mpamandri-borona avokoa, no eny amin'ny alehan'ny mpaminany,
ary fanenjehana no any amin'ny tranon'Andriamaniny.
9 Simba hatrany am-potony izy ireo,
toy ny tamin'ny andron'i Gabaa;
hotsarovan'Iaveh ny helony,
ary hovaliany ny fahotany.
10 Tahaka ny voaloboka any an'efitra
no nahitako an'Israely;
tahaka ny voaloham-bokatry ny aviavy tanora
no nahitako ny razanareo.
Kanjo tonga tao Beelfegora izy ireo,
sy nanolo-tena ho an'ny sampy vetaveta,
ka tonga vetaveta tahaka itsy zava-tiany ihany.
11 Nihelina toy ny voromanidina, ny voninahitr'i Efraima;
tsy hisy intsony ny hiteraka na hanan'anaka, na ho torontoronina.
12 Na hitaiza ny zanany aza izy,
hesoriko aminy alohan'ny hahatongavany ho lehilahy ireny;
satria loza ho azy ireo, raha ihatahako izy!
13 Raha nitodi-maso nankany Tira aho, dia indreo Efraima
voavoly eo amin'ny tanim-bilona mahafinaritra;
kanjo Efraima efa nitondra ny zanany ho any amin'ny mpamono.
14 Omeo azy Iaveh ô!... Inona no homenao azy?...
Omeo azy ny kibo momba,
sy ny nono ritra.
15 Any Galgala ny faharatsiany rehetra;
fa tany no vao nankahalako azy.
Noho ny faharatsian'ny ataony,
horoahiko hiala ao an-tranoko izy;
tsy hanam-pitiavana azy intsony aho,
mpiodina avokoa ny mpanapaka izy.
16 Voa Efraima,
maina ny fakany,
tsy hamoa intsony izy ireo;
ary na dia miteraka aza izy,
hovonoiko ny malalany naloaky ny kibony.
17 Harian'ny Andriamantro izy,
satria tsy nihaino azy,
ka ho mpirenireny foana eny amin'ny firenena.