Epistola Voalohan'i Md. Piera

Toko voalohany

17 Ary raha ilay tsy mizaha tavan'olona, fa mitsara ny olona rehetra araka ny asany avy no antsoinareo hoe Ray, dia aoka hitondra tena amim-pahatahorana hianareo, mandritra ny andron'ny fivahinianareo ety 18 satria fantatrareo fa ny nanavotana anareo ho afaka tamin'ny fitondran-tena adala nentim-paharazana, dia tsy zavatra mety simba toy ny volamena na ny volafotsy, 19 fa ny ra sarobidin'ny Kristy, ilay zanak'ondry tsy manan-tsiny aman-kilema, 20 dia ilay talohan'ny nahariana an'izao tontolo izao no efa voatendry, fa tamin'izao andro farany izao no vao naseho, noho ny aminareo. 21 Tamin'ny alalany no nahazoanareo finoana an'Andriamanitra, izay nanangana azy tamin'ny maty, sy nanome voninahitra azy, ka zary fanantenana an'Andriamanitra koa ny finoanareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1192