Epistola Voalohan'i Md. Piera

Toko voalohany

3 Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesoa-Kristy Tompontsika, izay niteraka antsika indray, araka ny haben'ny famindram-pony, noho ny fitsanganan'i Jesoa-Kristy tamin'ny maty, ho amin'ny fanantenana velona,

4 hahazo ny lova tsy mety simba, tsy misy pentina, tsy mety levona, izay voatahiry ho anareo any an-danitra, 5 dia anareo izay arovan'ny herin'Andriamanitra amin'ny finoana ho amin'ny famonjena, izay efa vonon-kaseho amin'ny andro farany. 6 Ny fiheverana an'izany no iravoravoanareo nefa mbola tsy maintsy hampahorin'ny fitsapana samihafa vetivety ihany hianareo,

7 ka rahefa voazaha toetra ny finoanareo izay ambony lavitra noho ny volamena (io anefa mba zahan-toetra amin'ny afo ihany na dia zavatra mety simba aza), dia ho hita fa manjary dera sy voninahitra ary haja ho anareo izany, amin'ny andro hisehoan'i Jesoa-Kristy. 8 Tia azy hianareo, na dia mbola tsy nahita azy na oviana na oviana aza; mino azy hianareo na dia izao aza mbola tsy mibanjina azy; izany no iontanan'ny fonareo amin'ny hafaliana tsy azo lazaina sy be voninahitra, 9 sady matoky hianareo fa hahazo ny antenain'ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahinareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.058