Epistola Voalohan'i Md. Piera

Toko faha-2

20 Inona tokoa àry no ho fahamendrehanareo, raha manao ratsy hianareo ka miaritra ny kapoka valin'izany? Fa raha manao soa hianareo no ampahorina, ka miaritra amim-pandeferana, dia izany no ankasitrahan'Andriamanitra. 21 Sady izany koa no niantsoana anareo, satria ny Kristy nijaly ho anareo koa, ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany: 22 dia izy, ilay tsy nanota akory, na mba niloa-bava hilaza fitaka velively; 23 izy ilay notevatevaina, nefa tsy mba nandrahona, fa nanolo-tena tamin'ny mpitsara azy tsy an-drariny; 24 izy ilay nitondra ny fahotantsika tamin'ny tenany teo ambony hazo, mba ho faty isika raha ny amin'ny ota, fa ho velona kosa amin'ny fahamarinana; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana anareo. 25 Fa efa toy ny ondry nania hianareo, ary indro ankehitriny efa tafaverina amin'ny Mpiandry sy Mpitondra ny fanahinareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2465