Epistola Voalohan'i Md. Piera

Toko faha-2

4 Manatòna azy, izay vato velona nolavin'ny olona ihany tokoa, nefa voafidy sy sarobidy eo anatrehan'Andriamanitra kosa; 5 ary hianareo koa dia mirafeta eo amboniny, toy ny vato velona, mba hitsangana ho tempoly fanahy, ho mpisorona masina, ka hanolotra fanati-panahy ankasitrahan'Andriamanitra, amin'ny alalan'i Jesoa-Kristy. 6 Fa izany no ilazan'ny Soratra Masina hoe: Indro aho mametraka vato fehizoro ao Siona, dia vato voafidy sy sarobidy, ary izay mino azy tsy hangaihay. 7 Koa voninahitra ho anareo izay mino; fa ho an'izay tsy mino kosa dia: Ny vato nolavin'ny mpanao trano no efa tonga fehizoro, 8 ary vato mahasolafaka sy vatolampy mahatafintohina; fa tafintohina amin'ny teny izy ireo satria tsy nanaiky, sady izany rahateo no nanendrena azy. 9 Fa hianareo kosa dia taranaka voafidy, vahoaka navotana, mba hitorianareo ny hatsaran'ilay niantso anareo hiala tamin'ny aizina, ho amin'ny fahazavany mahagaga:

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0905