Epistola Voalohan'i Md. Piera

Toko faha-4

13 fa mifalia arakaraka ny iombonanareo fijaliana amin'i Kristy, mba hanananareo anjara amin'ny fifaliana sy firavoravoana koa amin'ny andro hisehoan'ny voninahiny 14 Sambatra hianareo raha tevatevaina noho ny anaran'ny Kristy, fa mitoetra ao aminareo ny Fanahin'ny voninahitra sy ny fahefana, dia ny Fanahin'Andriamanitra. 15 Aoka tsy hisy mijaly ao aminareo noho izy mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpitsiriritra fananan'olona; 16 fa raha noho izy kristianina kosa no ijaliany, dia aoka tsy ho menatra amin'izany izy, fa vao mainka hanome voninahitra an'Andriamanitra aza, noho izany anarana izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.104