Epistola Voalohan'i Md. Piera

Toko faha-3

14 Fa na ampahorina noho ny fahamarinana aza hianareo, dia vao mainka sambatra, ka aza matahotra izay fandrahonany, na mihorohoro amin'izany akory. 15 Ny Kristy Tompo no ankamasino ao am-ponareo. Aoka ho vonona mandrakariva hianareo hamaly amin-kamoram-po sy fanajana an'izay rehetra manontany anareo ny amin'ny antony fanantenana izay ao anatinareo. 16 Aoka ho tsara ny hitsim-ponareo, mba ho amin'izay anendrikendrehana anareo indrindra no hampahamenatra an'ireo mpanaratsy ny fitondran-tena tsara ataonareo ao amin'ny Kristy. 17 Fa aleo amin'ny fanaovan-tsoa no miaritra fahoriana, raha izany no sitra-pon'Andriamanitra, toy izay amin'ny fanaovan-dratsy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1034