Epistola Faharoan'i Md. Piera

Toko faha-3

8 Izao zavatra iray loha izao anefa no aoka ho fantatrareo, ry malala: amin'ny Tompo, ny indray andro dia hoatra ny arivo taona, ary ny arivo taona dia hoatra ny indray andro.

9 Koa tsy ahemotry ny Tompo araka ny hevitry ny sasany akory ny fampanantenany, fa miandry anareo amim-pandeferana izy, mba tsy hisy very na dia iray aza, fa samy hanatona sy hibebaka daholo. 10 Ho avy toy ny mpangalatra ny andron'ny Tompo, ary amin'izany andro izany, ny lanitra hirimorimo mankarenina, ny tenan-javatra rehetra ho levon'ny afo, ny tany mbamin'ny asa rehetra eo aminy hodorana. 11 Koa raha tsy maintsy ho levona àry izao rehetra izao, ho toy inona no tokony ho fahamasinan'ny fitondran-tena amam-pitiavam-bavakareo,

12 amin'ny fiandrasana sy fanafainganana ny hihavian'ny andron'ny Tompo, izay hahamay sy hahalevona ny lanitra, ary handoro sy hampiempo ny tenan'ny zavatra rehetra? 13 Eny, araka ny fampanantenany, dia manantena ny lanitra vaovao sy tany vaovao isika, izay hanjakan'ny fahamarinana. 14 Amin'ny fiandrasana izany, dia ataovy izay tratry ny ainareo, mba ho tsy manan-tsiny amam-pondro ary mihavana tsara no hahitan'ny Tompo anareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1216