Epistola Voalohan'i Md. Piera

Toko faha-3

18 Na ny Kristy koa aza, niaritra fahafatesana indray mandeha noho ny otantsika, dia izy marina ho an'ny tsy marina, mba hanolorany antsika amin'Andriamanitra, ka novonoina tamin'ny nofo izy, fa novelomina tamin'ny fanahy.

19 Ary tamin'io fanahy io ihany koa no nandehanany nitory teny tamin'ireo fanahy tao an-tranomaizina, 20 dia ireo fanahy tsy nino fahiny, fony niandry ny fahari-pon'Andriamanitra tamin'ny andron'i Noe, mandritra ny nandrafetana ny sambo fiara, izay nampidirana olona vitsy, dia valo monja, sy namonjena azy ireo tamin'ny rano. 21 Ary amin'ny rano ihany koa ankehitriny, dia amin'ny batemy izay tenan'io tandindona io, sy tsy fanadiovana ny loton'ny vatana, fa fangatahana fo tsara amin'Andriamanitra, no amonjena anareo noho ny nitsanganan'i Jesoa-Kristy tamin'ny maty, 22 dia ilay nandevona ny fahafatesana mba hahatonga antsika ho mpandova ny fiainana mandrakizay, ary efa lasa any an-danitra, mipetraka eo an-kavanan'Andriamanitra, eken'ny Anjely sy ny fahefana ary ny hery.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0549