Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana

Toko voalohany

1 Paoly mpanompon'i Kristy Jesoa, voaantso ho Apostoly, sy voatokana hitory ny Evanjelin'Andriamanitra,-

2 izay nampanantenainy rahateo tamin'ny alalan'ny mpaminany ao amin'ny Soratra Masina, 3 momba ny Zanany (izay nateraky ny taranak'i Davida araka ny nofo, 4 ary naseho tamin-kery ho Zanak'Andriamanitra tamin'ny fitsanganan'ny maty, araka ny fanahin'ny fahamasinana), dia Jesoa-Kristy Tompontsika, 5 izay nandraisany ny fahasoavana sy ny maha-Apostoly anay mba hampanaiky ny jentily rehetra ny finoana, amin'ny anarany, 6 ary anisan'ireny koa hianareo, noho ny fiantsoan'i Jesoa-Kristy:- 7 mamangy anareo rehetra malalan'Andriamanitra any Roma, izay olo-masina voaantsony: ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika, sy Jesoa Kristy Tompo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1323