Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana

Romana toko 1. 1-7
Fiarahabana - Fitiavan'i Paoly ny kristianina ao Roma - Ny tsy nahalalan'ny jentily an'Andriamanitra - Ny nanamelohan'Andriamanitra azy ireo.

       1 Paoly mpanompon'i Kristy Jeso, voaantso ho Apostoly, sy voatokana hitory ny Evanjelin'Andriamanitra,- 2 izay nampanantenainy rahateo tamin'ny alalan'ny mpaminany ao amin'ny Soratra Masina, 3 momba ny Zanany (izay nateraky ny taranak'i Davida araka ny nofo, 4 ary naseho tamin-kery ho Zanak'Andriamanitra tamin'ny fitsanganan'ny maty, araka ny fanahin'ny fahamasinana), dia Jeso-Kristy Tompontsika, 5 izay nandraisany ny fahasoavana sy ny maha-Apostoly anay mba hampanaiky ny jentily rehetra ny finoana, amin'ny anarany, 6 ary anisan'ireny koa hianareo, noho ny fiantsoan'i Jeso-Kristy:- 7 mamangy anareo rehetra malalan'Andriamanitra any Roma, izay olo-masina voaantsony: ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika, sy Jeso Kristy Tompo.