Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana

Toko faha-10

1 Ry rahalahy, ny irin'ny foko sy angatahiko amin'Andriamanitra ho azy ireo, dia ny hahasoa ny famonjena.

2 Fa vavolombelon'ny fahazotoany ho an'Andriamanitra aho, saingy fahazotoana tsy ara-pahalalana ny azy; 3 satria tsy nahalala ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra izy, ka nitady hanamarin-tena, fa tsy nanaiky ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra. 4 Ny Kristy ihany anefa no anton'ny Lalàna, mba ho fanamarinana an'izay rehetra mino. 5 Izany no nilazan'i Moizy fa ny olona manatanteraka ny fahamarinana avy amin'ny Lalàna no ho velona amin'izany;

6 ary izao kosa no lazain'ny fahamarinana avy amin'ny finoana: Aza manao anakam-po hoe: Iza no hiakatra any an-danitra? (dia ny hampidina ny Kristy izany); 7 na hoe: Iza no hidina any amin'ny tevam-be? (dia ny hampiakatra ny Kristy avy amin'ny maty izany). 8 Fa ahoana, hoy izy? Izao: Eo akaikinao ny teniny, fa eo am-bavanao, sy ao am-ponao, dia ny teny finoana izay torinay. 9 Ka raha manaiky amin'ny vavanao hianao fa Jesoa no Tompo, sy mino amin'ny fonao fa Andriamanitra nanangana azy tamin'ny maty, dia ho voavonjy hianao. 10 Satria ny finoana amin'ny fo no ahazoana fahamarinana; ary ny fanekena amin'ny vava no ahazoana famonjena, 11 araka ny tenin'ny Soratra Masina hoe: Izay mino azy tsy mba ho menatra. 12 Tsy misy hafa na Jody na jentily; satria ny Tompo iray no iombonan'izy rehetra, manan-karena ho an'izay rehetra miantso azy; 13 fa izay rehetra hiantso ny anaran'ny Tompo no hovonjena. 14 Hatao ahoana àry no fiantso izay mbola tsy ninoana? Hatao ahoana no fino izay mbola tsy re? Hatao ahoana no fandre raha tsy misy mitory?

15 Ary hatao ahoana no fitory raha tsy misy irahina? araka ny voasoratra hoe: Endrey ny hatsaran'ny tongotr'ireo mitory hasambarana! 16 Tsy ny rehetra anefa no nanaiky ny Evanjely, araka ny tenin'Izaia hoe: Tompo ô, iza no nino ny teny notorinay? 17 Koa avy amin'ny toriteny ny finoana; ary avy amin'ny tenin'Andriamanitra ny toriteny. 18 Fa hoy izaho: Sao dia tsy nandre izy ireo? Tsy izany akory; lasa nanerana ny tany rehetra ny feony, ary tonga hatramin'ny fara vazan-tany ny teniny. 19 Fa hoy indray aho: Sao tsy nahalala kosa Israely? Ehe, i Moizy ihany no voalohany nanoratra hoe: Hataoko velom-pialonana an'izay tsy firenena akory hianareo; ary hataoko entin-katezerana amin'ny firenena tsy misy saina. 20 Ny an'Izaia indray aza no manoatra, fa hoy izy: Hitan'izay tsy nitady ahy aho, ary niseho tamin'izay tsy nanontany ahy. 21 Fa hoy kosa izy nony milaza ny amin'Israely: Naninjitra ny tànako isan'andro amin'ny firenena tsy mino sy mpikomy aho.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0869