Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana

Toko faha-10

8 Fa ahoana, hoy izy? Izao: Eo akaikinao ny teniny, fa eo am-bavanao, sy ao am-ponao, dia ny teny finoana izay torinay. 9 Ka raha manaiky amin'ny vavanao hianao fa Jesoa no Tompo, sy mino amin'ny fonao fa Andriamanitra nanangana azy tamin'ny maty, dia ho voavonjy hianao. 10 Satria ny finoana amin'ny fo no ahazoana fahamarinana; ary ny fanekena amin'ny vava no ahazoana famonjena, 11 araka ny tenin'ny Soratra Masina hoe: Izay mino azy tsy mba ho menatra. 12 Tsy misy hafa na Jody na jentily; satria ny Tompo iray no iombonan'izy rehetra, manan-karena ho an'izay rehetra miantso azy; 13 fa izay rehetra hiantso ny anaran'ny Tompo no hovonjena.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0823