Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana

Toko faha-10

9 Ka raha manaiky amin'ny vavanao hianao fa Jesoa no Tompo, sy mino amin'ny fonao fa Andriamanitra nanangana azy tamin'ny maty, dia ho voavonjy hianao. 10 Satria ny finoana amin'ny fo no ahazoana fahamarinana; ary ny fanekena amin'ny vava no ahazoana famonjena, 11 araka ny tenin'ny Soratra Masina hoe: Izay mino azy tsy mba ho menatra. 12 Tsy misy hafa na Jody na jentily; satria ny Tompo iray no iombonan'izy rehetra, manan-karena ho an'izay rehetra miantso azy; 13 fa izay rehetra hiantso ny anaran'ny Tompo no hovonjena. 14 Hatao ahoana àry no fiantso izay mbola tsy ninoana? Hatao ahoana no fino izay mbola tsy re? Hatao ahoana no fandre raha tsy misy mitory?

15 Ary hatao ahoana no fitory raha tsy misy irahina? araka ny voasoratra hoe: Endrey ny hatsaran'ny tongotr'ireo mitory hasambarana! 16 Tsy ny rehetra anefa no nanaiky ny Evanjely, araka ny tenin'Izaia hoe: Tompo ô, iza no nino ny teny notorinay? 17 Koa avy amin'ny toriteny ny finoana; ary avy amin'ny tenin'Andriamanitra ny toriteny. 18 Fa hoy izaho: Sao dia tsy nandre izy ireo? Tsy izany akory; lasa nanerana ny tany rehetra ny feony, ary tonga hatramin'ny fara vazan-tany ny teniny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.198