Toko faha-11
13
Aminareo jentily no itenenako: amin'ny maha-Apostolin'ny jentily ahy, dia manome voninahitra ny fandraharahana nomena ahy aho,
14
mba hahavelom-pialonana an'ireo tapako, ka hamonjy ny sasany amin'izy ireo, raha azo atao.
15
Raha ny fanariana azy àry no fampihavanana an'izao tontolo izao, hanao ahoana kosa ny fandraisana azy: tsy ho fitsanganana amin'ny maty va?
29
satria tsy misy anenenany ny fanomezan-tsoa sy ny fiantsoan'Andriamanitra.
30
Fa hianareo fahiny mba tsy nanaiky an'Andriamanitra ihany, nefa noho ny tsy naneken'izy ireny dia nahazo famindram-po ankehitriny.
31
Toy izany koa izy ireny ankehitriny, tsy manaiky an'Andriamanitra izy, nefa noho ny famindram-po azonareo, dia hahazo famindram-po toraka izany koa.
32
Fa samy nohidian'Andriamanitra tamin'ny tsy fanekena ny olona rehetra, mba samy hamindrany fo avokoa.