Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana

Toko faha-15

4 Ary izay rehetra voasoratra taloha dia natao ho fianarantsika, mba hananantsika fanantenana amin'ny fandeferana sy ny fanalana alahelo avy amin'ny Soratra Masina. 5 Andriamanitry ny fandeferana sy ny fanalana alahelo anie hampiray hevitra anareo araka an'ny Kristy Jesoa, 6 mba hiarahanareo mankalaza an'Andriamanitra Rain'i Jesoa-Kristy Tompontsika, amin'ny fo iray sy vava iray. 7 Koa mifandraisa hianareo, tahaka ny nandraisan'ny Kristy anareo mba ho voninahitr'Andriamanitra.

8 Fa ny Kristy, dia lazaiko marina, fa natao mpandraharaha ny voafora mba haneho ny fahamarinan'Andriamanitra, amin'ny fanatanterahana ny teny napetraka tamin'ny razan'izy ireo; 9 ary ny jentily kosa dia mankalaza an'Andriamanitra noho ny famindra-pony, araka ny vosaoratra hoe: Izany no hiderako anao any amin'ny jentily, sy hankalazako ny anaranao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1375