Taratasin'i Md. Paoly Ho An'ny Romana
Toko faha-16
3 Veloma any amin'i Priska sy Akilasy mpiara-miasa amiko ao amin'i Jesoa-Kristy;4 nanao vy very hamonjy ny aiko izy mivady ireo, ka tsy izaho irery no misaotra azy, fa ny Eglizy rehetra any amin'ny jentily koa, 5 ary veloma any amin'ny Eglizy rehetra izay ao an-tranony. Veloma any amin'i Epeneto malalako, izay santatr'i Asia ho an'ny Kristy. 6 Veloma any amin'i Maria, izay niasa mafy ho anareo. 7 Veloma any amin'i Androniky sy Joniasa havako sy niara-nifatotra tamiko, izay sady tsara laza amin'ny Apostoly no tao amin'ny Kristy talohako aza. 8 Veloma any amin'i Anfiasa, malalako ao amin'ny Tompo. 9 Veloma any amin'i Orbano, mpiara-miasa amintsika ao amin'ny Kristy, sy Stakisa malalako. 16 Mifampiarahabà amin'ny fanorohana masina. Manao veloma anareo ny Egizin'ny Kristy rehetra. 22 Izaho Tersiosa, izay nanoratra ity taratasy ity koa, manao veloma anareo ao amin'ny Tompo. 23 Manao veloma anareo i Gaïosa, ilay itoeranay, mbamin'ny Eglizy rehetra. Manao veloma anareo i Erasta, mpitahiry ny volam-panjakana eto an-tanàna, sy i Koartosa rahalahy. 24 Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesoa-Kristy Tompontsika. Amena. 25 Ary ho an'ilay mahay mankahery anareo araka ny Evanjeliko, izay nitoriana an'i Jesoa-Kristy sy nanambarana ny zava-miafina tsy voalaza hatrizay hatrizay,
26 (fa voaseho ankehitriny tamin'ny soratry ny mpaminany, araka ny didin'ny Andriamanitra mandrakizay, ka nampahafantarina ny firenena rehetra mba hanekeny ny finoana) 27 dia ho an'Andriamanitra, ilay hany hendry anie, ny voninahitra mandrakizay mandrakizay, amin'ny alalan'i Jesoa-Kristy. Amena.
