Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana

Toko voalohany

16 Fa tsy menatra ny Evanjely aho, satria herin'Andriamanitra izany ho famonjena izay rehetra mino, dia ny Jody aloha, vao ny jentily.

17 Fa ambara mazava ao aminy ny fahamarinan'Andriamanitra avy amin'ny finoana ho amin'ny finoana, araka ny voasoratra hoe: Ho velona noho ny finoana ny olo-marina. 18 Fa hita miharihary avy any an-danitra ny hatezeran'Andriamanitra, mamely ny tsy fanajana an'Andriamanitra sy ny tsy fahamarinan'ireo olona izay misakana ny marina amin'ny tsy fahamarinany,

19 satria miseho miharihary ao aminy izay mba mety ho fantatra momba an'Andriamanitra, fa nasehon'Andriamanitra taminy izany. 20 Fa ny fombany tsy hita, toy ny fahefany mandrakizay mbamin'ny maha-Andriamanitra azy, dia hitan'ny saina amin'ny asan-tànany ka miseho amin'ny zava-boary rehetra; koa tsy afa-miala tsiny izy ireo, 21 fa nahalala an'Andriamanitra izy, nefa tsy nankalaza azy ho Andriamanitra na nisaotra azy; fa nanjary zava-poana izy tamin'ny fisainany, ary tonga maizina ny fony donto. 22 Nihambo ho hendry izy, ka tonga adala, 23 fa ny voninahitry ny Andriamanitra tsy mety lò dia nosoloany sarin-javatra mety lò, toy ny olombelona, na ny vorona, na biby mandady tongotra efatra, na biby mikisaka. 24 Noho izany, dia navelan'Andriamanitra izy ireo hoentin'ny filan-dratsin'ny fony ho amin'ny fahalotoana, mba hifanala baràka amin'ny tenany avy;

25 nosoloany lainga ny fahamarinan'Andriamanitra, ary naleony ny zava-boahary no nivavahana sy notompoina toy izay ny Nahary izay isaorana mandrakizay, Amena!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1148