Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana

Toko voalohany

28 Ary noho izy nanao tsirambina ny hahalala tsara an'Andriamanitra, dia navelan'Andriamanitra kosa izy hoentin'ny hevi-dratsiny hanao izay tsy tokony hatao, 29 ka rakotra izao karazam-paharatsiana rehetra izao, halozana, fahalotoana, fahalianan-karena, fisomparana, feno fialonana, vonoana olona, fifandirana, fitaka, otri-pò, mpanely tsaho, 30 mpanendrikendrika, halan'Andriamanitra, miavonavona, misolanandrana, be rehaka, mpamorona sain-dratsy, tsy manoa ray aman-dreny, 31 tsy ampy saina, mpivadi-panekena, tsy manam-piononana, tsy manana olon-tiana, tsy miantra. 32 Ary na dia fantany aza, fa araka ny fitsaran'Andriamanitra, mendrika ho faty izay diso amin'izany rehetra izany, dia tsy hoe manao izany fotsiny izy, fa mbola mankasitraka ny hafa manao koa aza.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.035