Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana

Toko faha-2

1 Toy izany koa hianao, ry olona, na zovy na zovy hianao no mitsara, dia tsy manan-kalahatra hianao; fa amin'ny fitsaranao ny hafa, dia manameloka ny tenanao koa hianao, satria toy ny ataon'ny hafa ihany koa no ataonao mitsara.

2 Fantatsika anefa fa marina ny fitsaran'Andriamanitra an'izay manao toy izany; 3 ka moa ataonao va, ry olona, fa hianao mitsara ny manao izany, nefa manao koa, dia ho afa-mandositra ny fitsaran'Andriamanitra? 4 Sa, saingy be famindram-po sy fandeferana amam-piaretana izy ka dia tsy ahoanao? Tsy fantatrao va fa ny hatsaram-pon'Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka? 5 Fahatezeran'Andriamanitra anie no angonin'ny ditranao sy ny fonao tsy mibebaka ho anao, amin'ny andron'ny fahatezerana sy fampisehoana ny fitsarana marin'Andriamanitra e! 6 dia ilay hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy; 7 fiainana mandrakizay moa ho an'izay maharitra manao tsara ka mitady ny haja amam-boninahitra sy ny tsy fahafatesana; 8 fa fahatezerana amam-pahavinirana kosa ho an'izay fatra-pikiry sy tsy manaiky ny marina, fa mpanaraka ny ratsy. 9 Eny, fahoriana aman-tebiteby no ho an'izay manao ny ratsy, dia ho an'ny Jody aloha, vao ho an'ny jentily koa;

10 fa haja amam-boninahitra sy fiadanana kosa ho an'izay manao ny tsara, dia ho an'ny Jody aloha, vao ho an'ny jentily koa, 11 satria Andriamanitra tsy mizaha tavan'olona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.142