Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana

Toko faha-3

21 Fa ankehitriny, tsy amin'ny Lalàna, dia naseho ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra, izay nambaran'ny Lalàna sy ny Mpaminany,

22 dia fahamarinana avy amin'Andriamanitra, noho ny finoana an'i Jesoa-Kristy, ho an'ny mpino rehetra; satria tsy misy avaka, 23 fa samy efa nanota ihany izy rehetra, ka tsy manana ny voninahitr'Andriamanitra, 24 fa hamarininy maimaim-poana amin'ny fahasoavany noho ny fanavotana izay ao amin'i Kristy Jesoa. 25 Fa izy no natsangan'Andriamanitra ampahibemaso ho sorom-pifonana amin'ny rany noho ny finoana, mba hampiharihary ny fahamarinany noho izy tsy dia namaly loatra ny fahotana fahiny tamin'ny andron'ny fandeferany:

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0493