Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana

Toko faha-3

10 araka ny voasoratra hoe: Tsy misy marina, na dia iray aza; 11 tsy misy manan-tsaina, tsy misy mitady an'Andriamanitra; 12 samy nania avokoa izy rehetra; tsy misy manao ny tsara na dia iray aza. 13 Fasana misokatra ny tendany; entiny mamitaka ny lelany; poizi-menarana no ao ambany molony; 14 ozona amam-pangidiana no mameno ny vavany; 15 ny handatsa-drà no mahamailaka ny tongony; 16 fandravana sy fampahoriana no eo amin'ny alehany; 17 ny làlan'ny fiadanana tsy fantany; 18 ary ny fahatahorana an'Andriamanitra tsy eo anoloan'ny masony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1106