Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana

Romana toko 4
Ny finoana, fa tsy ny famorana, no nahazoan'i Abrahama ny fahamarinana - Tsy ny asan'ny Lalàna, fa ny herin'ny finoana ihany, no ahazoana ny fahamarinana.

       1Inona àry, ny amin'i Abrahama razantsika, no ho lazaintsika, fa azony araka ny nofo? 2Raha noho ny asa no nanamarinana an'i Abrahama, dia manana hireharehana ihany izy; nefa tsy manana izany akory izy, eo anatrehan'Andriamanitra. 3Fa ahoana hoy ny Soratra Masina? Izao: nino an'Andriamanitra i Abrahama, ka izany no notanana ho fahamarinany. 4Satria amin'izay miasa, dia tsy heverina ho fahasoavana ho azy ny karama, fa hoe trosa; 5ary amin'izay tsy miasa, fa mino an'ilay manamarina ny ratsy fanahy, no tanana ho fahamarinana ho azy ny finoany, araka ny lahatry ny fahasoavan'Andriamanitra. 6Izany no ilazan'i Davida ny hasambaran'ny olona itanan'Andriamanitra fahamarinana tsy aman'asa hoe: 7Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany; 8sambatra ny olona tsy hitan'Andriamanitra heloka.
       9Ary izany hasambarana izany ve, an'ny voafora ihany, sa an'ny tsy voafora koa? 10Voalazantsika fa ny finoana dia notanana ho fahamarinan'i Abrahama. Oviana àry no nitanana izany? Tamin'izy efa voafora ve, sa fony izy mbola tsy voafora? Tsy tamin'izy efa voafora tsy akory, fa fony izy mbola tsy voafora. 11Fa famantarana ny famorana, ka dia noraisiny taty aoriana, mba ho tombo-kasen'ny fahamarinana azony noho ny finoana, fony izy mbola tsy voafora, mba ho rain'ny mpino rehetra izy, na dia ny tsy voafora aza, ka dia hotanana ho azy ireny koa ny fahamarinana; 12ary ho rain'ny voafora koa, tsy izay voafora fe voafora anefa, fa izay manara-dia ny finoana nananan'i Abrahama razantsika, fony izy mbola tsy voafora.
       13Tsy ny lalàna no nahazoan'i Abrahama sy ny taranany fampanantenana handova izao tontolo izao, fa ny fahamarinana avy amin'ny finoana. 14Fa raha izay amin'ny Lalàna no mpandova, dia foana ny finoana, ary tsinontsinona ny fampanantenana, 15satria ny Lalàna mitarika fahatezerana, fa raha tsy misy Lalàna, dia tsy misy koa fandikan-dalàna. 16Koa ny finoana no andovana, mba ho araka ny fahasoavana, ka ho mafy ho an'ny taranaka rehetra ny fampanantenana, dia tsy ho an'izay amin'ny Lalàna ihany, fa ho an'izay amin'ny finoan'i Abrahama koa, satria raintsika rehetra izy, 17(araka ny voasoratra hoe: Natsangako ho rain'ny firenena maro hianao) eo anatrehan'izay ninoany, dia Andriamanitra mpamelona ny maty, sy mpiantso ny tsy misy toy ny misy. 18Nino izy, fa nanantena na dia tsy nisy tokony hanantenany aza, ka tonga rain'ny firenena maro, araka ny voalaza taminy hoe: Ho tahaka izany ny taranakao. 19Sady tsy mba nalemy finoana izy, fa tsy noheveriny akory ity tenany efa hoatra ny maty (efa tokony ho zato taona izy fahizany), sy izato kibon'i Sarà efa ritra aina. 20Tsy nasiany fisalasalana na ahiahy kely akory ny teny napetrak'Andriamanitra taminy, fa nampaherezin'ny finoana izy, ka nanome voninahitra an'Andriamanitra 21tamin'ny fitokiana mafy azy ho mahay manatanteraka ny zavatra rehetra nampanantenainy; 22koa notanana ho fahamarinany izany. 23Ary tsy ho azy ihany no nanoratana fa notanana ho fahamarinany izany; 24fa ho antsika izay hitanana izany koa, dia isika izay mino an'ilay nanangana tamin'ny maty an'i Jesoa-Kristy Tompontsika, 25izay natolotra noho ny fahadisoantsika, ary nitsangana indray mba ho fanamarinana antsika. >