Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana

Toko faha-4

1 Inona àry, ny amin'i Abrahama razantsika, no ho lazaintsika, fa azony araka ny nofo?

2 Raha noho ny asa no nanamarinana an'i Abrahama, dia manana hireharehana ihany izy; nefa tsy manana izany akory izy, eo anatrehan'Andriamanitra. 3 Fa ahoana hoy ny Soratra Masina? Izao: nino an'Andriamanitra i Abrahama, ka izany no notanana ho fahamarinany. 4 Satria amin'izay miasa, dia tsy heverina ho fahasoavana ho azy ny karama, fa hoe trosa; 5 ary amin'izay tsy miasa, fa mino an'ilay manamarina ny ratsy fanahy, no tanana ho fahamarinana ho azy ny finoany, araka ny lahatry ny fahasoavan'Andriamanitra. 6 Izany no ilazan'i Davida ny hasambaran'ny olona itanan'Andriamanitra fahamarinana tsy aman'asa hoe: 7 Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany; 8 sambatra ny olona tsy hitan'Andriamanitra heloka.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0877