Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana

Toko faha-4

13 Tsy ny lalàna no nahazoan'i Abrahama sy ny taranany fampanantenana handova izao tontolo izao, fa ny fahamarinana avy amin'ny finoana.

16 Koa ny finoana no andovana, mba ho araka ny fahasoavana, ka ho mafy ho an'ny taranaka rehetra ny fampanantenana, dia tsy ho an'izay amin'ny Lalàna ihany, fa ho an'izay amin'ny finoan'i Abrahama koa, satria raintsika rehetra izy, 17 (araka ny voasoratra hoe: Natsangako ho rain'ny firenena maro hianao) eo anatrehan'izay ninoany, dia Andriamanitra mpamelona ny maty, sy mpiantso ny tsy misy toy ny misy. 18 Nino izy, fa nanantena na dia tsy nisy tokony hanantenany aza, ka tonga rain'ny firenena maro, araka ny voalaza taminy hoe: Ho tahaka izany ny taranakao. 22 koa notanana ho fahamarinany izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.045