Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana

Toko faha-4

18 Nino izy, fa nanantena na dia tsy nisy tokony hanantenany aza, ka tonga rain'ny firenena maro, araka ny voalaza taminy hoe: Ho tahaka izany ny taranakao. 19 Sady tsy mba nalemy finoana izy, fa tsy noheveriny akory ity tenany efa hoatra ny maty (efa tokony ho zato taona izy fahizany), sy izato kibon'i SarĂ  efa ritra aina. 20 Tsy nasiany fisalasalana na ahiahy kely akory ny teny napetrak'Andriamanitra taminy, fa nampaherezin'ny finoana izy, ka nanome voninahitra an'Andriamanitra 21 tamin'ny fitokiana mafy azy ho mahay manatanteraka ny zavatra rehetra nampanantenainy; 22 koa notanana ho fahamarinany izany. 23 Ary tsy ho azy ihany no nanoratana fa notanana ho fahamarinany izany; 24 fa ho antsika izay hitanana izany koa, dia isika izay mino an'ilay nanangana tamin'ny maty an'i Jesoa-Kristy Tompontsika, 25 izay natolotra noho ny fahadisoantsika, ary nitsangana indray mba ho fanamarinana antsika.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1005