Taratasin'i Md. Paoly Ho An'ny Romana
Toko faha-5
1 Koa amin'izany, efa nohamarinina noho ny finoana isika, ka mihavana amin'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesoa-Kristy Tompontsika,2 izay ahazoantsika manatona amim-pinoana izao fahasoavana itoerantsika tsara izao, sy mifaly amim-panantenana ny voninahitr'Andriamanitra.