Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana

Toko faha-5

12 Noho izany àry, dia tahaka ny nidiran'ny fahotana tamin'izao tontolo izao tamin'ny olona iray, sy nidiran'ny fahafatesana noho ny fahotana, ka nifindra tamin'ny olona rehetra ny fahafatesana, satria nanota avokoa izy rehetra:

13 fa nisy ota ihany tamin'izao tontolo izao na talohan'ny Lalàna aza, saingy tsy tanana hisy saziny ny ota raha tsy misy lalàna. 14 Nanjaka ihany anefa ny fahafatesana hatramin'i Adama ka hatramin'i Moizy, na dia tamin'izay tsy nanao fahotana toraka ny fandikana nataon'i Adama aza; ary Adama dia tandindon'ilay Adama ho avy. 15 Ary tsy mba tahaka ny fahadisoana ny fanomezam-pahasoavana; fa raha ny fahafatesan'ny anankiray aza nahafatesan'ny olona rehetra, mainka fa ny fahasoavan'ny olona iray, dia Jesoa-Kristy, no nandraisan'ny olona rehetra an-kabetsahana ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny fanomezana.

16 Ary tsy mba tahaka izay tonga noho ny anankiray nanota ny fanomezana: satria noho ny ota anankiray no nisian'ny fitsarana ho fanamelohana; fa noho ny fahadisoana maro kosa no nisian'ny fahasoavana ho fanamarinana. 17 Satria raha ny fahadisoan'ny anankiray aza nanjakan'ny fahafatesana noho ny nataon'io anankiray io, mainka fa ny nataon'ny anankiray, dia Jesoa-Kristy, no hanjakan'izay mahazo ny haben'ny fahasoavana amam-panomezam-pahamarinana amin'ny fiainana. 18 Koa tahaka ny nahatongavan'ny fanamelohana ho an'ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray no nahatongavan'ny fanamarinana ahazoam-piainana ho an'ny olona rehetra kosa noho ny fahamarinana iray.

19 Fa tahaka ny nahatongavan'ny maro ho mpanota noho ny tsy naneken'ny olona iray no hahatongavan'ny maro ho marina kosa noho ny naneken'ny olona iray.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1314