Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana

Toko faha-5

6 Fa fony mbola tsy nanan-kery isika, dia maty tamin'ny fotoana voatendry ny Kristy mba hamonjy ny ratsy fanahy.

7 Saika tsy misy manaiky ho faty hamonjy ny olo-marina; ary angamba hisy ihany sahy maty hamonjy ny manao soa. 8 Fa izao kosa no nanehoan'Andriamanitra ny fitiavany antsika: fony mbola mpanota isika 9 no maty hamonjy antsika ny Kristy; koa mainka fa izao efa nohamarinina tamin'ny rany izao, dia tsy maintsy afany amin'ny fahatezerana mihitsy. 10 Satria, raha fony mbola fahavalo aza isika, nampihavanina tamin'Andriamanitra noho ny nahafatesan'ny Zanany, mainka fa rahefa nampihavanina, dia tsy maintsy voavonjy noho ny fahavelomany tokoa. 11 Tsy izany ihany koa, fa isika dia mifaly amin'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesoa-Kristy Tompontsika, izay nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1088