Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana

Toko faha-5

1 Koa amin'izany, efa nohamarinina noho ny finoana isika, ka mihavana amin'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesoa-Kristy Tompontsika,

2 izay ahazoantsika manatona amim-pinoana izao fahasoavana itoerantsika tsara izao, sy mifaly amim-panantenana ny voninahitr'Andriamanitra. 5 ary ny fanantenana tsy mba manodoka, satria efa voarotsaka ao ampontsika tamin'ny Fanahy Masina nomena antsika ny fitiavana an'Andriamanitra. 6 Fa fony mbola tsy nanan-kery isika, dia maty tamin'ny fotoana voatendry ny Kristy mba hamonjy ny ratsy fanahy.

7 Saika tsy misy manaiky ho faty hamonjy ny olo-marina; ary angamba hisy ihany sahy maty hamonjy ny manao soa. 8 Fa izao kosa no nanehoan'Andriamanitra ny fitiavany antsika: fony mbola mpanota isika

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1109