Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana

Toko faha-5

1 Koa amin'izany, efa nohamarinina noho ny finoana isika, ka mihavana amin'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesoa-Kristy Tompontsika,

2 izay ahazoantsika manatona amim-pinoana izao fahasoavana itoerantsika tsara izao, sy mifaly amim-panantenana ny voninahitr'Andriamanitra. 3 Tsy izany ihany, fa ny fahoriana aza dia ifaliantsika koa, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana, 4 ny faharetana hahatonga hatsaram-panahy voazaha toetra, ny hatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana; 5 ary ny fanantenana tsy mba manodoka, satria efa voarotsaka ao ampontsika tamin'ny Fanahy Masina nomena antsika ny fitiavana an'Andriamanitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1235