Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana

Toko faha-6

12 Koa aoka ny fahotana tsy hanjaka amin'ny tenanareo mety maty amin'ny fanarahana ny filan-dratsiny;

13 ary aoka ny rantsam-batanareo tsy hatolotrareo ho an'ny fahotana nataony fiasana fanaovan-dratsy; fa atolory an'Andriamanitra ny tenanareo, izay maty no velona indray, sy ny rantsam-batanareo hataony fiasana fanaovam-pahamarinana. 14 Fa tsy hanan-kery aminareo ny fahotana, satria hianareo tsy ambanin'ny Lalàna, fa ambanin'ny fahasoavana. 15 Ahoana àry: hanota va isika, satria tsy ao ambanin'ny Lalàna, fa ao ambanin'ny fahasoavana? Sanatria izany!

16 Tsy fantatrareo va fa na iza na iza anoloranareo tena ho mpanompo mba hanaiky azy, dia mpanompon'izay ekenareo hianareo, na ny fahotana ho amin'ny fahafatesana izany, na ny fanekena ho amin'ny fahamarinana? 17 Ary isaorana Andriamanitra, fa na dia nanompo ny fahotana aza anie hianareo, dia nanaiky tao am-po tokoa ny fitsipi-pampianarana natolotra anareo; 18 ary rahefa afaka tamin'ny fahotana hianareo, dia tonga mpanompon'ny fahamarinana. 19 Miteny araka ny fanaon'ny olona aho, noho ny fahalemen'ny nofonareo: tahaka ny nanoloranareo ny tenanareo hanompo ny fahalotoana sy ny tsy fahamarinana hahatanteraka ny tsy fahamarinana, no aoka hanoloranareo ny rantsam-batanareo ankehitriny hanompo ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana. 20 Fa fony mpanompon'ny ota hianareo, dia olon-ko azy tamin'ny fahamarinana. 21 Inona àry no vokatra azonareo tamin'izay? Vokatra mahamenatra anareo fe ankehitriny, fa fahafatesana no iafarany. 22 Ary ankehitriny kosa, rahefa afaka tamin'ny fahotana hianareo, ka efa tonga mpanompon'Andriamanitra, dia ny fahamasinana no vokatra azonareo, ary ny fiainana mandrakizay no hiafaranareo. 23 Fa ny fahafatesana no tambin'ny ota, ary ny fiainana mandrakizay ao amin'ny Kristy Jesoa Tompontsika kosa no fanomezan'Andriamanitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1809