Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana

Toko faha-6

3 Moa tsy fantatrareo va fa isika rehetra natao batemy ho amin'ny Kristy Jesoa, dia natao batemy ho amin'ny fahafatesany? 4 Koa niara-nalevina taminy tamin'ny batemy ho amin'ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an'ny Kristy tamin'ny maty, tamin'ny voninahitry ny Ray, no handehanantsika amin'ny fiainam-baovao koa. 5 Fa raha nampiraisina taminy tamin'ny fakan-tahaka ny nahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin'ny fitsanganany; 6 fa fantatsika fa ilay olona tranainy toetrantsika dia niara-nofantsihana taminy, mba ho levona ny tenan'ny fahotana, ka tsy hanompo ny fahotana intsony isika, 7 satria izay maty dia afaka amin'ny fahotana. 8 Ary raha niara-maty tamin'ny Kristy isika, dia mino fa hiara-belona aminy koa; 9 sady fantatsika fa rahefa nitsangana tamin'ny maty izy dia tsy maty intsony, tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana. 10 Satria ny fahafatesany moa, dia fahafatesana indray maka ny amin'ny fahotana; fa ny fahavelomany kosa, dia fahavelomana ho an'Andriamanitra. 11 Ary aoka ho toy izany koa hianareo no hanao ny tenanareo ho toy ny efa maty ny amin'ny fahotana, fa velona kosa ho an'Andriamanitra ao amin'ny Kristy Jesoa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1098