Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana

Toko faha-6

3 Moa tsy fantatrareo va fa isika rehetra natao batemy ho amin'ny Kristy Jesoa, dia natao batemy ho amin'ny fahafatesany? 4 Koa niara-nalevina taminy tamin'ny batemy ho amin'ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an'ny Kristy tamin'ny maty, tamin'ny voninahitry ny Ray, no handehanantsika amin'ny fiainam-baovao koa. 5 Fa raha nampiraisina taminy tamin'ny fakan-tahaka ny nahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin'ny fitsanganany; 6 fa fantatsika fa ilay olona tranainy toetrantsika dia niara-nofantsihana taminy, mba ho levona ny tenan'ny fahotana, ka tsy hanompo ny fahotana intsony isika, 7 satria izay maty dia afaka amin'ny fahotana. 8 Ary raha niara-maty tamin'ny Kristy isika, dia mino fa hiara-belona aminy koa; 9 sady fantatsika fa rahefa nitsangana tamin'ny maty izy dia tsy maty intsony, tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0937