Taratasin'i Md. Paoly Ho An'ny Romana

Toko faha-7

18 Fa fantatro fa tsy mitoetra ato amiko ny tsara, izany hoe tsy ato amin'ny nofoko: ny fikasana fotsiny no ato amiko, fa tsy ny manatanteraka ny tsara, 19 satria tsy ny tsara izay tiako no ataoko, fa ny ratsy izay tsy tiako; 20 ka rahefa tsy ny tiako no ataoko, dia tsy izaho intsony no manao izany, fa ny fahotana izay mitoetra ato amiko. 21 Koa toa misy lalàna toy izao ato amiko: nony te-hanao ny tsara aho, dia ny ratsy no indro misosoka.

22 Satria amin'ny olona ao anaty aho, dia mankasitraka ny lalàn'Andriamanitra ihany, 23 fa ny lalàna hitako amin'ny rantsam-batako sy manohitra ny lalàn'ny saina no manandevo ahy amin'ny lalàn'ny fahotana izay ao amin'ny rantsam-batako. 24 Indrisy! olo-mahantra aho; iza re no hanafaka ahy amin'ity vatam-pahafatesana ity? 25 Isaorana anie Andriamanitra, amin'ny alalan'i Jesoa-Kristy Tompontsika! Izaho izany, dia sady mpanompon'ny lalàn'Andriamanitra amin'ny saina no andevon'ny lalàn'ny fahotana amin'ny nofo koa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0652