Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana

Toko faha-8

1 Koa ankehitriny, tsy misy fanamelohana intsony ho an'izay ao amin'ny Kristy Jesoa, sady mandeha ara-nofo,

2 fa ny lalàn'ny Fanahin'aina no nanafaka ahy tamin'ny fahotana sy ny fahafatesana, tamin'ny alalan'ny Kristy Jesoa. 3 Satria izay tsy vitan'ny Lalàna noho izy tsy nanan-kery azon'ny nofo, dia vitan'Andriamanitra tamin'ny nanirahany ny Zanany tao amin'ny endriky ny nofom-pahotana sy noho ny fahotana, ka nanameloka fahotana tao amin'ny nofony, 4 mba ho tanteraka ny fahamarinan'ny Lalàna ao amintsika, izay tsy mandeha ara-nofo, fa ara-panahy. 5 Fa izay ara-nofo dia mankafy ny zavatry ny nofo ary izay ara-panahy dia mankafy ny zava-panahy. 6 Ny fitiavan'ny nofo dia fahafatesana, fa ny fitiavan'ny fanahy kosa dia fiainana amam-piadanana. 7 Satria ny fitiavan'ny nofo dia mifandrafy amin'Andriamanitra, fa tsy manaiky ny lalàn'Andriamanitra izy, sady tsy hainy aza izany. 8 Koa izay ao amin'ny nofo dia tsy mety ho sitrak'Andriamanitra. 9 Fa hianareo dia tsy ao amin'ny nofo, fa ao amin'ny Fanahy, raha mitoetra ao anatinareo koa ny Fanahin'Andriamanitra. Raha misy tsy manana ny Fanahin'ny Kristy, dia tsy azy izy; 10 fa raha ao anatinareo ny Kristy; na dia maty aza ny vatana noho ny fahotana, dia miaina kosa ny fanahy noho ny fahamarinana. 11 Ary raha ny Fanahin'izay nanangana an'i Jesoa tamin'ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia izay nanangana an'i Kristy Jesoa koa no hamelona ny vatanareo mety maty, noho ny Fanahiny izay mitoetra ao anatinareo. 12 Koa amin'izany, ry rahalahy, tsy mpitrosa amin'ny nofo isika, ka ho velona ara-nofo.

13 Satria raha velona ara-nofo hianareo, dia ho faty; fa raha vonoinareo amin'ny Fanahy ny asan'ny nofo, dia ho velona hianareo; 14 satria izay rehetra tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra dia zanak'Andriamanitra; 15 Ary izany tokoa, satria tsy Fanahim-pahandevozana no noraisinareo, ka hatahotra indray hianareo, fa Fanahim-pananganan-janaka, ka iantsoantsika hoe: Aba! Ray! 16 Ary ny tenan'io Fanahy io ihany no vavolombelona miaraka amin'ny fanahintsika fa zanak'Andriamanitra isika. 17 Ary raha zanaka dia mpandova, eny sady mpandova an'Andriamanitra no mpiray lova amin'ny Kristy, raha miara-mijaly aminy anefa isika, mba hiara-komem-boninahitra aminy koa; 18 satria ataoko fa ny fahorian'izao fiainana izao dia tsy azo oharina amin'ny voninahitra ho avy izay haseho amintsika. 19 Fa indrakindrafana be ihany ny zava-boary rehetra miandry ny fampisehoana ireo zanak'Andriamanitra;

20 satria izao zava-boary rehetra izao dia natao mpanompo ny zava-poana, tsy araka ny nàhiny, fa noho ilay nampanompo azy, 21 nefa nahazo fanantenana fa izy aza dia ho alana amin'ny fahandevozam-pahalòvana ho amin'ny fahafahana amam-boninahitr'ireo zanak'Andriamanitra. 22 Fa fantatsika fa, mandraka ankehitriny, dia miara-misento sy mijaly toy ny mihetsi-jaza izao zava-boary rehetra izao. 23 Ary tsy izy ihany, fa na isika efa manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy koa aza, dia misento ao anatintsika ao, miandry ny fananganan-janaka amam-panavotana ny vatantsika. 24 Fa vao amin'ny fanantenana fotsiny no nahavoavonjy antsika. Ary ny mahita izay antenaina, dia tsy mba manantena intsony, fa efa hitany ka ahoana indray no hanantenany? 25 Fa raha ny tsy hita no antenaintsika, dia miandry amim-paharetana isika. 26 Manaraka izany, ny Fanahy koa no manohana ny fahalementsika, satria na izay mety hangatahintsika aza tsy fantatsika, fa ny tenan'izy Fanahy ihany no mangataka amin'ny fitarainana tsy azo lazaina;

27 ary izy mikaroka ny fo no mahalala izay irin'ny Fanahy, sy ny fifonany araka an'Andriamanitra ho an'ny olo-masina. 28 Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia entin'Andriamanitra hahasoa izay tia azy, dia ireo efa voantso araka ny fandaharany.

29 Satria izay fantany rahateo no notendreny hitovy endrika amin'ny Zanany koa, mba ho Lahimatoa amin'ny rahalahy maro izy. 30 Ary izay notendreny no nantsoiny koa; izay nantsoiny no nohamarininy koa; izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa. 31 Inona àry no holazaintsika ny amin'izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika? 32 Izy tsy nandala ny tena Zanany, fa nahafoy azy ho antsika rehetra, ka ahoana no tsy hanomezany antsika ny zavatra rehetra koa miaraka aminy? 33 Iza no hiampanga an'izay voafidin'Andriamanitra? Andriamanitra no manamarina azy 34 ka zovy no hanameloka? Moa ny Kristy va, ilay efa maty, fa nitsangana tamin'ny maty, sy mipetraka eo an-kavanan'Andriamanitra ary mifona ho antsika? 35 Koa iza àry no hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'ny Kristy? Fahoriana va, sa fahaterena, sa fanenjehana, sa fahanoanana, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra?

36 Araka ny voasoratra hoe: Hianao no amonoana anay isan'andro; mova tsy ny ondry famono no fihevitry ny olona anay. 37 Amin'izany rehetra izany anefa, dia mihoatra noho ny mpandresy isika, amin'ny alalan'ilay tia antsika. 38 Satria matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na ireo fahefana, 39 na ny any ambony, na ny any ambany, na zava-boary hafa, dia tsy hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra izay ao amin'i Kristy Jesoa Tompontsika.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0634