Taratasin'i Md. Paoly Ho An'ny Romana

Toko faha-8

12 Koa amin'izany, ry rahalahy, tsy mpitrosa amin'ny nofo isika, ka ho velona ara-nofo.

13 Satria raha velona ara-nofo hianareo, dia ho faty; fa raha vonoinareo amin'ny Fanahy ny asan'ny nofo, dia ho velona hianareo; 14 satria izay rehetra tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra dia zanak'Andriamanitra; 15 Ary izany tokoa, satria tsy Fanahim-pahandevozana no noraisinareo, ka hatahotra indray hianareo, fa Fanahim-pananganan-janaka, ka iantsoantsika hoe: Aba! Ray! 16 Ary ny tenan'io Fanahy io ihany no vavolombelona miaraka amin'ny fanahintsika fa zanak'Andriamanitra isika. 17 Ary raha zanaka dia mpandova, eny sady mpandova an'Andriamanitra no mpiray lova amin'ny Kristy, raha miara-mijaly aminy anefa isika, mba hiara-komem-boninahitra aminy koa;

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0898