Taratasin'i Md. Paoly Ho An'ny Romana

Toko faha-8

26 Manaraka izany, ny Fanahy koa no manohana ny fahalementsika, satria na izay mety hangatahintsika aza tsy fantatsika, fa ny tenan'izy Fanahy ihany no mangataka amin'ny fitarainana tsy azo lazaina;

27 ary izy mikaroka ny fo no mahalala izay irin'ny Fanahy, sy ny fifonany araka an'Andriamanitra ho an'ny olo-masina. 28 Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia entin'Andriamanitra hahasoa izay tia azy, dia ireo efa voantso araka ny fandaharany.

29 Satria izay fantany rahateo no notendreny hitovy endrika amin'ny Zanany koa, mba ho Lahimatoa amin'ny rahalahy maro izy. 30 Ary izay notendreny no nantsoiny koa; izay nantsoiny no nohamarininy koa; izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0916