Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana

Toko faha-8

18 satria ataoko fa ny fahorian'izao fiainana izao dia tsy azo oharina amin'ny voninahitra ho avy izay haseho amintsika. 19 Fa indrakindrafana be ihany ny zava-boary rehetra miandry ny fampisehoana ireo zanak'Andriamanitra;

20 satria izao zava-boary rehetra izao dia natao mpanompo ny zava-poana, tsy araka ny nàhiny, fa noho ilay nampanompo azy, 21 nefa nahazo fanantenana fa izy aza dia ho alana amin'ny fahandevozam-pahalòvana ho amin'ny fahafahana amam-boninahitr'ireo zanak'Andriamanitra. 22 Fa fantatsika fa, mandraka ankehitriny, dia miara-misento sy mijaly toy ny mihetsi-jaza izao zava-boary rehetra izao. 23 Ary tsy izy ihany, fa na isika efa manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy koa aza, dia misento ao anatintsika ao, miandry ny fananganan-janaka amam-panavotana ny vatantsika.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2554