Taratasin'i Md. Paoly Ho An'ny Romana
Toko faha-8
19 Fa indrakindrafana be ihany ny zava-boary rehetra miandry ny fampisehoana ireo zanak'Andriamanitra;20 satria izao zava-boary rehetra izao dia natao mpanompo ny zava-poana, tsy araka ny nàhiny, fa noho ilay nampanompo azy, 21 nefa nahazo fanantenana fa izy aza dia ho alana amin'ny fahandevozam-pahalòvana ho amin'ny fahafahana amam-boninahitr'ireo zanak'Andriamanitra. 22 Fa fantatsika fa, mandraka ankehitriny, dia miara-misento sy mijaly toy ny mihetsi-jaza izao zava-boary rehetra izao. 23 Ary tsy izy ihany, fa na isika efa manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy koa aza, dia misento ao anatintsika ao, miandry ny fananganan-janaka amam-panavotana ny vatantsika. 24 Fa vao amin'ny fanantenana fotsiny no nahavoavonjy antsika. Ary ny mahita izay antenaina, dia tsy mba manantena intsony, fa efa hitany ka ahoana indray no hanantenany?