Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana

Toko faha-8

8 Koa izay ao amin'ny nofo dia tsy mety ho sitrak'Andriamanitra. 9 Fa hianareo dia tsy ao amin'ny nofo, fa ao amin'ny Fanahy, raha mitoetra ao anatinareo koa ny Fanahin'Andriamanitra. Raha misy tsy manana ny Fanahin'ny Kristy, dia tsy azy izy; 10 fa raha ao anatinareo ny Kristy; na dia maty aza ny vatana noho ny fahotana, dia miaina kosa ny fanahy noho ny fahamarinana. 11 Ary raha ny Fanahin'izay nanangana an'i Jesoa tamin'ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia izay nanangana an'i Kristy Jesoa koa no hamelona ny vatanareo mety maty, noho ny Fanahiny izay mitoetra ao anatinareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5757