Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana
Romana toko 8. 9,11-13
9 Fa hianareo dia tsy ao amin'ny nofo, fa ao amin'ny Fanahy, raha mitoetra ao anatinareo koa ny Fanahin'Andriamanitra. Raha misy tsy manana ny Fanahin'ny Kristy, dia tsy azy izy;
11 Ary raha ny Fanahin'izay nanangana an'i Jeso tamin'ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia izay nanangana an'i Kristy Jeso koa no hamelona ny vatanareo mety maty, noho ny Fanahiny izay mitoetra ao anatinareo. 12 Koa amin'izany, ry rahalahy, tsy mpitrosa amin'ny nofo isika, ka ho velona ara-nofo. 13 Satria raha velona ara-nofo hianareo, dia ho faty; fa raha vonoinareo amin'ny Fanahy ny asan'ny nofo, dia ho velona hianareo;