Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana

Romana toko 8, 14-17,
<14satria izay rehetra tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra dia zanak'Andriamanitra; 15Ary izany tokoa, satria tsy Fanahim-pahandevozana no noraisinareo, ka hatahotra indray hianareo, fa Fanahim-pananganan-janaka, ka iantsoantsika hoe: Aba! Ray! 16Ary ny tenan'io Fanahy io ihany no vavolombelona miaraka amin'ny fanahintsika fa zanak'Andriamanitra isika. 17Ary raha zanaka dia mpandova, eny sady mpandova an'Andriamanitra no mpiray lova amin'ny Kristy, raha miara-mijaly aminy anefa isika, mba hiara-komem-boninahitra aminy koa; >