Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana

Toko faha-8

8 Koa izay ao amin'ny nofo dia tsy mety ho sitrak'Andriamanitra. 9 Fa hianareo dia tsy ao amin'ny nofo, fa ao amin'ny Fanahy, raha mitoetra ao anatinareo koa ny Fanahin'Andriamanitra. Raha misy tsy manana ny Fanahin'ny Kristy, dia tsy azy izy; 10 fa raha ao anatinareo ny Kristy; na dia maty aza ny vatana noho ny fahotana, dia miaina kosa ny fanahy noho ny fahamarinana. 11 Ary raha ny Fanahin'izay nanangana an'i Jesoa tamin'ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia izay nanangana an'i Kristy Jesoa koa no hamelona ny vatanareo mety maty, noho ny Fanahiny izay mitoetra ao anatinareo. 12 Koa amin'izany, ry rahalahy, tsy mpitrosa amin'ny nofo isika, ka ho velona ara-nofo.

13 Satria raha velona ara-nofo hianareo, dia ho faty; fa raha vonoinareo amin'ny Fanahy ny asan'ny nofo, dia ho velona hianareo; 14 satria izay rehetra tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra dia zanak'Andriamanitra; 15 Ary izany tokoa, satria tsy Fanahim-pahandevozana no noraisinareo, ka hatahotra indray hianareo, fa Fanahim-pananganan-janaka, ka iantsoantsika hoe: Aba! Ray! 16 Ary ny tenan'io Fanahy io ihany no vavolombelona miaraka amin'ny fanahintsika fa zanak'Andriamanitra isika. 17 Ary raha zanaka dia mpandova, eny sady mpandova an'Andriamanitra no mpiray lova amin'ny Kristy, raha miara-mijaly aminy anefa isika, mba hiara-komem-boninahitra aminy koa;

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4792