Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana

Toko faha-9

1 Milaza ny marina ao amin'ny Kristy aho, ka tsy mandainga, ary ny Fanahy Masina sy ny hitsim-poko no vavolombeloko,

2 fa malahelo mafy aho, ory lalandava ny foko, 3 satria saiky niriko aza ny ho voaozona ho lavitra ny Kristy ny tenako, hamonjeko ny rahalahiko, izay havako araka ny nofo, 4 dia ireo Isrealita, izay manana ny fananganan-janaka, sy ny voninahitra, sy ny fanekena, sy ny Lalàna, sy ny fombam-pivavahana, ary ny fampanantenana; 5 azy koa ny Patriarka, sady avy aminy araka ny nofo ny Kristy, izay ambonin'ny zavatra rehetra, Andriamanitra isaorana mandrakizay. Amena.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1067