Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Romana

Toko faha-9

19 Fa hianao kosa hanao amiko hoe: Ka ahoana indray no anomezan'Andriamanitra tsiny, nefa tsy misy mahatohitra izay sitra-pony tsinona?

20 Eisy! iza moa hianao, ry olombelona, no sahy hifamaly amin'Andriamanitra? Moa ny vilany tany va hanao amin'izay nanefy azy hoe: Nahoana aho no nataonao toy izao? 21 Moa tsy tompon'ny tanimanga va ny mpanefy vilany, ka mahazo manao zavatra samihafa amin'ny vongana iray monja: ny iray moa, hohajaina, ny iray kosa hatao tsinontsinona? 22 Koa maninona, raha te-hampiseho ny fahatezerany Andriamanitra, sy ta-hampahafantatra ny heriny, ka mbola naharitra tamim-pandeferana lehibe an'ireo fanaky ny fahatezerana nanoman-tena ho an'ny fahaverezana? 23 na te-hampahafantatra ny haren'ny voninahiny koa izy, ka nanomana rahateo an'ireo fanaky ny famindram-po ho amin'ny voninahitra, 30 Inona àry no holazaintsika? Ny jentily izay tsy nitady ny fahamarinana ity no nahazo ny fahamarinana, dia ny fahamarinana avy amin'ny finoana;

31 fa Israely nitady lalàn'ny fahamarinana kosa, tsy tojo azy. 32 Nahoana re? Satria tsy tamin'ny finoana, fa tamin'ny asa no nataony hahazoana azy; ka tafintohina tamin'ny vato manafintohina izy, 33 araka ny voasoratra hoe: Indro, apetrako ao Siona ny vato manafintohina sy ny vatolampy mahasolafaka; fa izay mino azy ihany no tsy mba ho menatra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1271